arpm_logo

Autorité de Régulation des Marchés Publics


ARMP

      FAMBOLEN-KAZO TAONA 2023
AUTORITE DE REGULATION DES MARCHES PUBLICS (ARMP)


      Araka ny teny filamatra napetraky ny fitondram-panjakana ho an’ity taom-pambolen-kazo 2023 ity hoe: “IZAY MAMBOLY HAZO MAMELONA AINA, IZAY MAMBOLY HAZO MAMELONA AN’I MADAGASIKARA”, ary tahaka ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra eto Madagasikara, indrindra fa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny Fitantanam-bola, dia anisany nahatontosa ny anjara fambolen-kazony koa ny ARMP ny zoma 03 martsa 2023 teo. Izany dia notanterahina teny amin’ny fokontany Tsaralamaka, kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, izay notarihin-Ramatoa Talé Jeneraly Julie Claudette RANJAVOLOLONA.
      Nialoha izany fambolen-kazo izany dia nisy ny lahateny nataon-dRamatoa Talé Jeneraly ka ankoatra ireo hafatrafatra maro izay nomeny dia teo koa no nanamafisany ny maha zava-dehibe ny hetsika ka nambarany tamin’izany fa mila manaraka ny fenitra takina ny fambolena atao mba ahafahana manatratra ny tanjona izay napetraky ny fitondram-panjakana ny amin’ny fandrakofana ala an’I Madagasikara.


Copyright©2022 Équipe de la DSI ARMP.